Finaritra volana novambra 2022

Mpitandrina RAVALOSON

Miomàna handray ny Mpamonjy

Mandritra ity volana Novambra ity dia hibanjina lohahevitra vaovao indray isika dia ny hoe “Miomàna handray ny Mpamonjy”. Mampatsiaro ilay antso avo na ilay lakolosy fanairana nataon'i Jaona mpanao batisa hanomana ny olona rehetra handray ny mpamonjy tiany (Lio2/4b-6).Ho avy ny Tompo ka mila manomana ny fontsika handraisana azy isika. Ny olona miandrandra ny Famonjen'Andriamanitra dia tsy maintsy manomana sy manamboatra ny lalany ho amin'izany, mba hananany antoka ny famonjena. Amin'ny fomba ahoana anefa ? Fampiharana avy hatrany no tiako hahitana ny saintsika ny amin'ny fanamboaran-dalana izay hiomanana handraisana ny famonjen'Andriamanitra dia ny “KOLAS”.

K : Kofohina ao anatin'ny fandinihan-tena lalina ny fanoloran-tenam-panompoana.

Ny hoe kofohina dia tsikeraina, tahaka ny mitrongy ny tany na havoana amin'ny fiara lehibe fanamboaran-dalana. Raha manatsikafokafona ny fiainantsika isika mandinika ny tsara sy ny ratsy, ny fanararaotra ary ny mampiahiahy rehetra eo amin'ny fiainana.

O : Ovaina ny fomba ratsy fanao rehetra, ka ny biloka ahitsy, ny tendrombohitra sy ny havoana haetry  ialana ny avonavona fireharehana ilàna fanetren-tena.

L : Lala-marina sy mahitsy no ezahina ijoroana hoy ny voalaza eto ny meloka ahitsy ary ny lalana mikotoatoana hohamarinina io ilay fandravonana ny lalana, mba hahitsy sy hiravona tsara toe-po marina sy mahitsy no ilain'Andriamanitra tena fiainana amin'ny fahamarinana izay.

A : Aorina tsara ao amin'ny Tompo ny finoana totoina ho mafy orina tsara ny lalana mba ho mafy sy ahazaka izay vesatra rehetra mandalo ao aminy. Ilazana fa ny finoana mafy orina no ahazakana izay endrin-pifaharitoetra na trangan-javatra rehetra miseho eo amin'ny fiainana  na mora na sarotra. Mila monina tsara ao amin'ny Tompo.

S : Sorohina mialoha izay trangan-javatra mazetera-doza.

Ary ny nofo rehetra ahita ny famonjen'Andriamanitra”. Rehefa tsara ny lalana dia finaritra nahita izay olona rehetra, nefa tandindomin-doza koa anefa izay raha tsy mitandrina dia izany no ilana ny tsato-by fanaterana fampitandremana na fisorohana ny loza. Inona moa hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto ? Ny fitandremana araka ny teninao. Ny tenin'Andriamanitra ihany no arofanina ho antsika eo amin'ny fiainana.

Ny fiomanana tsara ho antsika ary mba handraisana ny mpamonjy sy ahazoana antsika ny famonjena dia fiomanana tsara ao anaty fandinihan-tena lalina ka hibebahana izay ratsy sy ota natao. Ka mandinika tsara amin'ny fotoana rehetra, miari-tory mba ho vonona tsy ahatampoka ny fihavian'ny Mpamonjy ka fijoroana amin'ilay lalam-pamonjena efa voavaotran'ny Tompo ho antsika dia i Jesoa Kristy

“Fa izaho hoy ny Tompo no lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jao 14:6).

Mpitandrina Ravaloson