
"ANDRIAMANITRA MIASA NY FANAHY MASINA."
Ry havana malala
Ry Kristiana havana
« Mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. » III Jao 2. Ny volana Mey dia volan'ny Fanahy masina satria hiandrandrantsika fatratra ny fahatsiarovana ny fahatongavan'ny Fanahy masina tamin'ny fiangonana voalohany dia ny "Pentekosta".
Ny fanahy masina mantsy dia endrika iray niseho an'Andriamanitra araka ny asa notanterahany teto anivon'izao tontolo izao. Araka ny fanekem-pinoantsika Kristiana dia niseho tamin'ny endrika Telo Andriamanitra dia ny maha Ray, maha Zanaka, ary maha Fanahy masina Azy, araka ny asa notanterahany avy. Ny maha Ray azy dia noho izy mpahary sy Tompo ary miahy sy mitondra ny tantaran'izao tontolo izao. Ny maha zanaka Azy dia noho Izy Andriamanitra tonga olona hamonjy sy hanavotra ary hanafaka izao tontolo izao. " Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay" Jao 3:16. Mandritry ity volana Mey ity kosa isika dia hifantoka tanteraka amin'ny hery sy ny asan'ny Fanahy masina araka ny lohahevitra hiarahantsika mibanjina hoe "Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina."
Dia Andriamanitra miasa sy manatrika antsika amin'ny alalan'ny Fanahy masina noho izy netin'Andriamanitra mampahery, mampionona, mampitraka, mitsilo sy manazava ny diatsika. Misolo vava ho antsika koa izy eo amin'ny ady rehetra hatrehantsika. Amin'ny alalan'ny Fanahy masina no mampijoro antsika ho vavolombelona sy mampatsiaro ary mampianatra antsika eo fiatrehana ny zavatra rehetra araka izay efa nampianarin'i Jesoa antsika. Tena Andriamanitra miasa eo amin'ny fiainantsika ny Fanahy Masina. Amin'ny alalan'ny Fanahy Masina no maha feno ny fanatrehan'Andriamanitra antsika satria afaka mahita sy manatrika antsika amin'ny fotoana, ny toerana ary ny tranga-javatra. Izy naha izy manerana izao tontolo izao ny fanatrehanao, eny fa na dia amin'ny toerana miafina indrindra aza.
Tsy misy azontsika andosirana tsy ho eo anetrahan'Andriamanitra fa eo ambany masony avokoa isika rehetra.
Io fanatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahy Masina io no nitondra sy nitarika antsika ho amin'ny fahatahorana azy izay loharanom-pahendrena (Sal 119:10) ka mampitandrina antsika handeha amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana eo amin'izay atao rehetra.
Ny asan'ny Fanahy Masina koa hananantsika toky ny fahatanterahana sy ny fahafenoan'ny asan'Andriamanitra ka n'inona n'inona na manao ahoana tranga-javatra eo amin'ny fiainantsika dia mifona eo anatrehan'Andriamanitra ary hainy hitondrana vahaolana ho antsika avokoa izy rehetra (Jer 32:27). Koa mahereza ry havana ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
Ny mpitandrina RAVALOSON