"MAMERINA HO AMIN'NY FAHAMARINANA NY TOMPO"
Ry havana malala
Ry Kristiana havana
Ho aminao anie ny Fiadanana.
Hibanjina lohahevitra vaovao indray isika,amin'ity volana martsa ity dia ny hoe "MAMERINA HO AMIN'NY FAHAMARINANA NY TOMPO".
Hatrany amin'ny testament taloha dia mifamatotra amin'ny fanekena nifanaovana na eo anatrehany fanekena nifanarahana no maha marina na tsy maha marina antsika. Samy manana ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay eo anatrehany fanekena. Andriamanitra dia marina sy mahatoky ary mihazona ny fanekeny hatramin'ny farany, ary tsy mivadika tamin'ny fanekeny fa isika olombelona dia tsy nahatana ny fanekena. Andriamanitra hay no marina.
Tsy maintsy namerina antsika ho amin'ny fahamarinana ny Tompo tamin'ny alalan'ny fanateram-pisoronana, nefa tsy nahafa-po an'Andriamanitra izay rehetra nataontsika. Hany ka ny zanany lahitokiana dia Jesoa Kristy mihitsy no nafoiny ho sorona ho antsika. Jesoa Kristy no fanatitra noho ny otantsika. Izy no nanamarin'Andriamanitra antsika araka ny teniny hoe "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana". Jao 14:6.
Ny olona tafaverina ao amin'i Jesoa Kristy no marina ary voa marina maimaim-poana. Ny voambolan'i Paoly Apostoly dia hoe "Ao amin'ny Tompo" ary ny voambolan'i Jaona dia hoe "Ireo nateraka indray". Rehefa tafaverina ao amin'ny Tompo isika dia tafaverina ho amin'ny fahamarinan'Andriamanitra ka tsy mahazo manota intsony satria tarihin'ny fanahin'Andriamanitra.
Ny fiverenana amin'ny fahamarinana dia endrika ho famonjena.
Koa lohahevitra hiarahantsika mibanjina mandritra ity volana ity dia hitaomana sy hitarihana antsika fiangonana hiverina amin'Andriamanitra, fa Izy no ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana ho antsika.
Ny Tompo anie hitahiry antsika ho amin'ny fahasoavany mandrakariva.
Ny mpitandrina Ravaloson