sampana lehilahy Kristiana
SLK Fifampiarahabana 2018 23/03/2018 13:20
Ny 17 martsa 2018 lasa teo no nanatontosa ny fifampiarahabana noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2018 ireo mpikambana ao @ SLK Ankadifotsy.
Notanterahina tao amin’ny Akanin’aina ambony ny 17 martsa 2018 teo ny fifampiarahaban’ny SLK Ankadifotsy. Nombam-bady aman-janaka ireo mpikambana tonga nanatrika izany.
Fotoana nisaorana an’Andriamanitra noho ny nahatratrarana soamantsara ny taona vaovao 2018 no sady koa nanatanterahana ny fiarahabana sy fanolorana solombodiakoho ny filoha, filoham-boninahitra ary koa ho an’ireo zokiolona 70 taona no mihoatra
Notohizana tamin’ny fiarahana misakafo sy fialana hetaheta ary narahana fizarana mofomamy izany
Ampahatsiahivina fa ny fivorian’ny sampana dia isaky ny zoma hariva amin’ny 5 ora sy sasany ao ampiangonana ambony rihana, ary koa ny alahady fahatelo eo anelan’elan’ny fanompoam-pivavahana voalohany sy faharoa toerana Akanin’aina ambany.