Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko hatramin'ny faran'ny tany. Asa 1:8

Sahia manohitra ny Kolikoly

Zanaka ampielezana

Nanokana mpiandry 5 ny FJKM Kanada03/11/2016 23:49

Nanokana mpiandry 5 ny FJKM Kanada 5 mianadahy no mpiandry natokana hiasa any amin’ ny FJKM any Kanada ny volana Oktobra lasa teo.

Nanokana mpiandry 5 ny FJKM Kanada

 

5 mianadahy no mpiandry natokana hiasa any amin’ ny FJKM any Kanada ny volana Oktobra lasa teo. Zanaky ny fiangonana Ankadifotsy ny iray tamin’izy ireo dia Hervé Rajaonarivelo  sady diakona any an-toerana rahateo.

Efa tany amin'ny taona 2014 izy ireo no nianatra SEFALA , fa rehefa vita ny « tronc commun » dia nisy ny niofana ho mpitoriteny ary misy ny nanao Mpiandry. Misy Mpitandrina FJKM monina any Amerika dia izy no mampianatra amin’ny alàlan’ny skype, na gotomeeting...dia rehefa mandalo mampivavaka any an-toetana izy vao misy ny fihaonana.

raha tsorina izany dia efa ho 3 taona latsaka no niofanan’izy ireo.

Ny matière rehetra ary ny atsasaky ny fiofanana mpiandry dia efa saika vita tao amin'ny tronc commun avokoa, tahaka izany koa ny an-dry zareo niomana ho mpitoriteny izay havoka amin'ity volana Novembre izao.

Nanangona fifiav